♦ Manahy ireo masoivoho vahiny miisa 08, araka ny fampitam-baovaon'izy ireo, ny amin'ny mety hisian'ny fihenjanana ara-politika, tamin'ny naoty manakana ny hetsika sy fivoriana ara-politika ankalamanjana, navoakan'ny Ministry ny Atitany. Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy mila fahazoan-dalana... ♦ Namoahan'ny BIANCO, filazana fikarohana ny tale jeneraly teo aloha an'ny orinasa JIRAMA sy ny tale jeneraly nisolo toerana azy, Andriamatoa isany Andriamanga Vonjy sy Radanielina Rivo... ♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra fanjakana ny mba hamonjena azy ireo ny mponina any Sandramorona, 72km miala an'i Mananjary, fa toy ny vono moka ny hanaovan'ny dahalo ny mponina ao, ary robain'izy ireo ihany koa ny fananany...
Fianarana foana hatrany ny fiainana, tsy mitsahatra mianatra isika. Misy foana fotoana ahatsapana hoe mila mianatra ny tena satria misy zavatra vaovao foana miseho eo amin'ny fiainana. Manomboka amin'ny fahaterahana ny fianarana, mitohy mandritry ny fandalovana amin'ny fahazazana, sy ny fahatanorana, mbola mitohy any amin'ny sehatry ny asa. Na efa tafitditra amin'ny sehatry ny fiainan-tokantrano dia misy fianarana hatrany, ohatra : fianarana ny fifampitondrana. Rehefa miha-antitra dia mbola mianatra hatrany hitazomana ny fitadidiana, ny fahaiza-miaina... Ankoatra ny mpampiana eny anivon'ny sekoly dia ny fiaraha-monina no isan'ireo mampianatra sy sekoly...
♦ Miisa 15 eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria, niteraka resabe tato ho ato... ♦ Masoivoho vahiny miisa 8 eto Madagasikara no naneho ny ahiahiny manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Ministry ny Atitany, tamin'ny 31 marsa teo, mikasika ny famerana ny fanaovana hetsika ara-politika sy ny famoriam-bahoaka. Nanazava avy hatrany moa taorian'izay ny Ministra Tokely Justin... ♦ Ny fanalalahana ny famokarana, ny fikirakirana ary ny fanondranana ny Lavanila eto Madagasikara no vahaolana natolotr'ireo mpanondrana izany, raha nivory manokana tany Antalaha izy ireo...
Misy fomba hanoherana manoloana ny lalàna na baiko. Raha mifanohitra amin'ny konsiansa dia tsy manatanteraka ; tsy voatery hanaiky rehefa tsy rariny mifanohitra amin'ny zo aman-kasin'ny olombelona. Ilaina ny fanajana ny vondron'olombelona tsy mitovy hevitra. Araka ny fandinihana ny hevitry ny mpanohitra no ahitana fifandraisana, ny eglizy no manitsy izay tsy mety. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco