♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...
Ahiahiana ho miverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany indray ilay valan'aretina "Fièvre de la Vallé de Rift" na ny FVR efa nirongatra tany amin'ireo Faritra ireo ny taona 2021. Aretina mahazo ny omby sy ny ondry ary ny osy, izay mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina ny FVR. Nanomboka hita tao Vatovavy sy Fitovinany ity aretina ity ny volana janoary lasa teo, ka omby 20 isa no efa maty ho an'ny ao Mananjary sy ny Nosy-Varika...
♦ Tsy tafiditra teny amin'ny Magro Behoririka androany ny TIM, noho ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Tafakatra ho fito ankehitriny, ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC... ♦ Dingana iray ahafahana mametraka paik'ady sy maka fepetra haingana eo amin'ny fitantanana ny harena voajanahary, ny haitao sahanin'ny ONE...
Ny olombelona dia tsy vatana fotsiny ihany fa saina sy fanahy ihany koa. Tsy olombelona manana filàna ara-batana fotsiny aho, fa olona manam-panahy ihany koa ka manana filàna ara-panahy. Ny fahalalana ara-tsiansa ananako mikasika ny tena dia tsy mahalaza ny zavatra rehetra momba ahy. Ny maha-olona feno ahy dia izao zava-boahary mari-toerana tsara. Misy aho ary velona satria manana vatana, saina, fihetseham-po, filàna ara-piaraha-monina sy ffandraisana ara-panahy amin'Andriamanitra...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco