Ny tarigetra-piainana nomen’i Jesoa antsika dia ny hoe “ny hanompo fa tsy ho tompoina.” Ny fiainana ny maha-kristianina marina dia iainana amin’ny fanampina ny hafa ary ny asa fanompoana araka izany dia azo heverina ho toy ny fitaovana iray handrefesana ny dingana vita eo amin’ny fiainam-panahy. Mitaky fanoloratena lalina ho fitsimbinana ny hafa. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alakamisy 16 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)

♦ Mbola mitoetra mandraka ankehitriny ny tsaho amin'ny Covid-19. Karazana tsaho amin'ny Covid-19 hatrany amin'ny 56 karazana no niparitaka tamin'ny faritra telo teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Ilontsera... ♦ Nampahafantarina androany ny fijoroan'ny antoko pôlitika Anjomara sy Rivo-Baovao... ♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny fomba fitsinjarana ireo efitrano ao amin'ny Cité an'ny mpianatra R+1, ny fikambanana MAFAMI...

♦ Mbola mihatra hatramin'izao ny tsy fahafahana manondrana sy mikitika ireo andramena nogiazana eto Madagasikara. Isan'ireo hazo voageja azo ampiasaina kosa ny palissandre... ♦ Tombanana hitatitra entana hatrany amin'ny 1000 Taonina isan-taona ny lalam-by mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ao aorian'ny fahavitany... ♦ Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitrisa Ariary no nomen'ny Fitsarana an'Andriamatoa Harry Laurent Rahajason. Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina sy lamandy 1 tapitrisa Ariary kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...