♦ Olona miisa 7 no namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Cheneso, ary olona 13 isa no tsy hita popoka, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC, omaly tamin'ny 8 ora alina... ♦ 200 taona ny fadin-tseranana Malagasy. Homarihina miaraka amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadin-tseranana izany rahampitso alakamisy 26 janoary 2023... ♦ Vita ihany ny fifidianana izay ho mpikamban'ny filan-kevim-pitantanan'ny OMDA, ho an'ny mpanakanto amin'ny mozika. Nialohavana savorovoro teo amin'ireo mpanakanto izany...

Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Alarobia 25 janoary 2023 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

♦ Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso androany, tany amin'ny 180km, andrefana somary avaratra andrefan'i Morondava no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa Formaprod, raha ny isan'ny tanora voaofana. Nizara ny zava-bita nandritra ny 10 taona niasany ity fandaharan'asa ity... ♦ Nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy mitaky ny fialan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, niainga teny Mahamasina hatreny Ampefiloha, i Rossy sy ny mpiara-dia aminy...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...