Marihina isaky ny faha-21 febroary, isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an'ny teny ibeazana. Ny UNESCO no isan'ireo nankatoa io andro io, vokatry ny tolona nataon'ireo olona tany Bangladesh, hampiasa ny teny ibeazana eo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy tamin'ny taona 1952. Mifamatotra ny teny ibeazana sy ny kolontsaina. Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ity taona ity : "Fanabeazana maroteny, antoka hampivoarana ny fanabeazana" ho fanamarihana io andro iraisam-pirenena io dia namaritra loha-hevitra ihany koa i Madagasikara dia ny hoe : "Ny anjara toeran'ny fitenim-paritra eo amin'ny fanabeazana". Hisy fanamarihana manokana izany eny amin'ny foiben'ny Akademy Malagasy eny Tsimbazaza ny talata 21 febroary 2023...
♦ Tombanana hiditra an-tanety anio hariva eto Madagasikara ilay rivo-doza FREDDY. Mbola voasokajy ho rivo-doza mahery vaika izy, mitondra rivotra 175km/ora. Manan-kery ny filazàna loza ho an'ny Faritra maro... ♦ Ministra miisa 08 eo anivon'ny Governemanta no nosoloina omaly. Mbola voatàna fanindiminy amin'ny toeran'ny praiministra Ntsay Chrisitian, izay efa nokasain'ireo solombavambahoaka ho esorina tamin'ny toerany... ♦ Mikatso avokoa ny fampandehanan-draharaha eto anivon'ny INSTAT, vokatry ny tsy mbola fisian'ny tale jeneraly. Roa volana tsy nandray karama ireo mpiasa, raha ny fitarainan'ny sendikà omaly...
Taorian'ny fitsanganany ho velona vao nanonona ny teny hoe "fiadanana" i Jesoa Kristy, fa talohan'izay dia tolona ho amin'ny tena fitiavana sy fahamarinana no nataony. Ny fiadanana tian'i Kritsy ampanjakaina eto an-tany dia araka ny fiheveran'Andriamanitra fa tsy ny hevitry ny olombelona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Talata 21 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco