♦ Misy amin'ireo solombavambahoaka IRD no manomboka miala amin'ny fitondràna amin'izao akaiky fifidianana izao. Ilaina ny fihainoana azy ireny satria mahatsiaro ho voahilika, hoy ny mpandinika ny raharaham-pirenena, Moussa Soalihy... ♦ Nanome antoka ny mpitarika ny FMI-Malagasy fa azon'ny fitondram-panjakàna gadraina, raha tsy tanteraka ny soson-kevitra harosony, hampidinana amin'ny ampaha-efany ny vidim-piainana eto Madagasikara... ♦ Olona 23 isa no maty tany Ambilobe, noho ny faharendren'ny sambo iray, saika hitondra mpandeha antsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nitsidika tany an-toerana ny Praiministra omaly, nanoloana izao loza nitranga izao...
Voajanahary ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina ankohonana no naorin’Andriamanitra voalohany. Avy eo nisy ny fiaraha-monina toy ny firenena tahaka an’Israely. Nataon’Andriamanitra fianakaviana iray ny olombelona. Iray donak'afo, miara-miaina, miara-belona. Soa iombonana no tanjona ka ilàna rafitra ara-politika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 14 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
♦ Hita taratra ankehitriny ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpanohana ny fitondrana, ary toa izany koa ny avy amin'ny mpanohitra... ♦ 23 ireo maty vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra mpandeha an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte. 24 kosa ireo velon'aina soamantsara... ♦ Mitentina 1136 miliara Ariary ny hetra tsy naloan'ireo vondrona mpaninjara solika, tamin'iny taona 2022 iny...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco