Misy antony maromaro tsy mamparisika ny Kristiana tsy handeha hivavaka rehefa alahady : Mety ho tsy mazava ny fampianarana na tsy maharesy lahatra ; mety ho antony avy amin'ny mpitondra (fitondran-tena) ; mety ho hita taratra ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny mpitondra sasany ao amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21

♦ Tsy misy ahiana intsony hatreto raha ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso. Amin'ny talata anefa izy vao mety ho tafavoaka any amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka mbola mitoetra ny fahabetsahan'ny rotsak'orana... ♦ Hanomboka any amin'ny volana jona any ho any, farahatarany, ny tohin'ilay tetikasa haratona'aina hanampiana ireo mponina sahirana any amin'ny Distrika 119 manerana ny Faritra 23, izay famatsiam-bola hatrany amin'ny 250 tapitrisa Dolara, ho an'ny Minisiteran'ny Mponina... ♦ Distrika faharoa be olona voan'ny tazomoka indrindra ny any amin'ny Distrikan'i Tolagnaro...

♦ Asa fanirahana amin'ny endrika vaovao ny fanendrena maha eveka, hoy i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan'Ambanja... ♦ Homarihana amin'ny antsam-panahy sy famelabelaran-kevitra manoloana ny fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy 21 janoary 2023, ny fankalazana ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra... ♦ Hitarika ny Sorona Masina hankalazana ny “alahadin'ny Tenin'Andriamanitra” ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny Papa François amin'ny alahady 22 janoary 2023...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...