29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.
Ny mpitondra ao amin'ny Eglizy dia mahatsapa sy mahalala tsara fa mavesa-danja ny anjara asan'ny lahika eo amin'ny fanasoavana ny Eglizy manontolo. Io anjara asa io dia ny fandraisana anjara amin'ny asan'i Kristy Mpisorona, Mpaminany sy Mpanjaka, ary misahana araka ny tandrify azy ny asan'ny vahoaka kristiana manontolo eo amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Nantsoina hizaka ny zavatry ny tany ny lahika. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Alakamisy 29 desambra 2022 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35
♦ Nitondra famelabelaran-kevitra mahasika ny hafatry ny Papa François, momba ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Niaka-bidy indray ny vary vokarina eto an-toerana. Misy tafakatra 950Ariary ny kapoakan'i Makalioka ao an-drenivohitra. Miantso ny fitondrana foive hijery akaiky izany ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana manoloana ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repôblika mibaiko ny olom-boafidy, hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo. Fanehoan-keviny manoloana ny famelàna indray ireo mpivarotra amoron-dalana hivarotra na dia efa noraràn'ny Kaominina Antananarivo aza...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco