♦ Mitsidika ny Vice-Province-n'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, i Mompera Alphose Owoudou, Mpanolotsaina jeneralin'ny Fikambanana Saleziana, misahana ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Afaka mandinika ny raharaham-pirenena ny FFKM, ka handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI, amin'ny 24 marsa izao, eny amin'ny Novotel... ♦ Notanterahana tamin'ny fomba ôfisialy tany Morondava androany, ny atrikasa fanombohana ara-teknika ny Tetikasa Titre Vert Menabe Antimena...
♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...
Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
♦ Mitady hirona mankany amin'ny fampianaran-dratsy ireo mpanao pôlitika, raha tarafina amin'ny famoriam-bahoaka ataony ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena... ♦ Niravona ny disadisa misy eo amin'ireo vondrona mpaninjara solika sy ny fitondram-panjakana, ka hiverina hadoa hetra ireo mpaninjara solika, amin'ny herinandro... ♦ Tsy tokony hifanilika andraikitra amin'ny famahana ny olan'ny mpianatra eny Vontovorona ireo mpitantana, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny SECES...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco