Tokana ihany ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao satria efa hatramin'ny andron'ny Aôstôly ary tsy miova tamin'ny lovam-pampianarany ny maha tokana ny drafitr'asan'Andriamanitra ao amin'ireo Testamenta roa ireo noho ny tandindona raketiny. Mifototra indrindra amin'ny fanomanana ny fahatongavan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao ny fitantanam-pamonjena ao amin'ny Testamenta Taloha. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alakamisy 15 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30

Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...

♦ Miantso ireo andrim-panjakana hifanaraka tsara sy hahay hiara-miasa ny Vondrona Afrikana, nanoloana ilay raharaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Hiteraka tsy fisian'ny fitoniana pôlitika ny tsy fifanarahan-kevitra, hoy ny solontenany eto amintsika... ♦ Niakatra fitsarana androany teny amin'ny PAC 67Ha, ilay raharaha fanondranana volamena 73,5 kilao tatsy Afrika Atsimo, roa taona aty aorian'ny nitrangany. Nahatratra 80 tany ho any ireo vavolombelona nohenoina tamin'ity raharaha ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...