11 desambra — Teraka ny taona 305 i Damase. Nitoetra tao Roma izy, niaraka tamin'ny fianakaviany. Niditra tao amin'ny fikambanan'ny mpisorona izy ary tonga iray tsara laza tamin'ireo pretra. Diakra niaraka tamin'ny papa Libère no nahafantarana an'i Damase, ary nomen'io papa io andraikitra izy ho masoivoho any amin'ny amperora Valens sy Valentinien.
Avy amin'ny toetra tsy manan-tsiny no nahazoana ny hatsaram-panahy maha bitika. Fanomezan'Andriamanitra sarobidy izy io kanefa mora simba raha tsy arahana fanabeazana dieny mbola kely. Ny hahafantarana ny hatsaram-panahy mha bitika dia ireto avy : ny fahatsoran-toetra, ny fanetre-tena sy ny fanompoana ny hafa, ary ny fahafoizana tsy misy kajikajy na tambiny. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Alahady 11 desambra 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11
10 desambra — Avy any Trawsfynydd, Pays de Galles i John Roberts. Ny finoana no nahatonga azy ho akaiky kokoa ny Fiangonana romanina noho ny Fiangonana Anglikana, izany no nahatonga azy ho mpianatra lalana tao Oxford, ary nanararaotra ny fandalovany tao Paris izy nankao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Paris mba ho raisina ao amin'ny Fiangonana Katôlika ny taona 1598.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco