10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.

Noho ny tsy fitokisana an'Andriamanitra no mahatonga ny olona hampifangaro ny finoana sy ny finoan-drazana, mitarika ny saina ihany koa hoe mitahy ny razana. Ireny rehetra ireny no antsoina hoe "Synchrétisme" na hoe mampifangaro ny finoana roa mifandaka. Ny kristiana vita batemy dia misy milaza ihany koa fa mivavaka amin'ny razam-bazaha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alakamisy 10 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25

♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo olona efatra voasaringotra tamin'ny fanolanana sy famonoana ilay zazalahy kely 7 taona tany Morondava... ♦ Nasain'ny OIF handray anjara tao anatin'ny fihaonana sy fivoriana izay mifanindran-dalana amin'ny COP27 atao any Egypte androany, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-javy, Vina Marie Orléa... ♦ Nitombo dimy ankehitriny ireo distrika tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...