Sabotsy 02 mey 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 61-79 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin'ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.
Zoma 01 mey 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava, isika izay navotany tamin'ny Rany.
♦ Niarahaba manokana an'i Madagsikara noho ny voka-pikarohana nahafahana namoaka ny tambavy CVO ireo Filoham-pirenena Afrikanina maro omaly... ♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus avokoa ireo olona 121 natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora...
♦ Manohana ny tokony hisain'ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny parlemanta manomboka ny 05 mey izao ny loholona Olivier Rakotovazaha sy ny depiote Mamy Rabeniriana... ♦ Mangataka fihaonana mivantana amin'ny Filoham-pirenena ny vondron'ny mpitatitra ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny mpiasa ao amin'ny kaminina an-drenivohitr'i Morondava...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco