♦ Mikasa hampiakatra ny vola miditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ny taona 2023 ny ao amin'ny fadintseranana malagasy. Miroso hatrany ny fanavaozana hoy ny tale jeneraly... ♦ Mitombo ny isan'ny tranga mitondra ny "cornavirus" ao Mahajanga. Miantso ny mponina hanamafy ny fiarovana ara-pahasalamana tsy hampihanaka ny aretina ny tompon'andraikitra... ♦ Misy ary ampy ny rano ao amin'ny Faritra Androy, toa izan koa ho an'ny Faritra Atsimo-Andrefana sy Atsimo-Atsinanana araka ny fanadihadiana nataon'ny manam-pahaizana manokana momba ny rano Rakotondrainibe Herivelo...

♦Tsy handany volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2023 ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara. Ambaran'izy ireo ho tsy mitsinjo ny sôsialim-bahoaka ary tsy mijery ny laharam-pahamehana ho an'ny firenena izany volavolan-dalàna LFI-2023 izany... ♦ Mampiantrano fivoriambe iraisam-pirenena ho an'ny fandintseranana i Madagasikara. Firenena maherin'ny 20 isa aty Afrika no mandray anjara... ♦ Nisantarana ny fizaran'ny fitondram-panjakàna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha teto amin'ny Faritra Analamanga ny tato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo... ♦ Tsy latsaky ny 70 ny tifitra misila nataon'ny rosianina tany Ukraine omaly, lasibatra ny toerana famokarana angovo...

24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.

Ny Batemy dia Sakramenta fandraisana an-tanana hamantatra sy hiditra lalindalina kokoa amin'ny misterin'Andriamanitra. Izay ilay hoe "initiation" hoy isika fa amin'ny ankapobeny, ny Batemy dia sokajiana ao anatin'ny Sakramenta firosoana ho kristiana. Ny rano izay isan'ny maha-Batemy ny Batemy no anisan'ny mahatonga azy hanome fiainana. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...