Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

♦ Hanatontosa ny fivoriam-be ara-potoana fanaony ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 23 sy 24 nôvambra 2022... ♦ Niroso nandinika ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 androany tolakandro, ny vaomiera manokana misahana izany, teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Misy ny atrikasa hamaritan'i Madagasikara ny drafitrasany iadiana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana nokleary, biôlôjika ary simika...

♦ Andrasana ny fehin-kevitry ny FFKM momba ny raharaham-pirenena, indrindra ilay resaka "fanorenam-pirenena". Anisan'ny hodinihina izany mandritra ny kômity foiben'ny FFKM hatao any Ambatondrazaka manomboka rahampitso... ♦ Mbola mikatso eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanenjehana ireo olona ambony tokony hiatrika fitsaràna eo anivon'ny HCJ. Ny tsy fahampian'ny fetr'isan'ireo solombavambahoaka tonga mivory tokony hanapaka izany ny olana... ♦ Olona 84 no voasambotry ny Pôlisy ao an-drenivohitra tao anatin'ny herinandro, noho ireo asa ratsy samihafa. Nisy ny hetsika manokana natao nahazoana izao vokatra ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana izao...

Rehefa voahaja ireo dingana maro samihafa sy ny fomba isan-karazany mialoha sy aorian'ny fandevenana dia azo antoka ny fiovan'ny satan'ny olona maty iray ho "razana". Aorian'ny fialan'aina ho an'ny olona iray dia tsy maintsy ahirina ny masony, karakaraina ny vatany, izay tonga hatramin'ny fampandroana ny vatana mangatsiaka, fampiankajoana, ny fiandrasam-paty, ny famonosana ary ny fandevenana no mamarana azy. Ny Filofoana dia fanomezam-boninahitra ny olona maty. Ny tsentsin-doloha dia tsipaipaika ara-bola avy amin'ny mpiara-monina hiatrehana ny voina. Ny andro talata sy alakamisy dia tsy andro fandevenana ary ny ora mety dia ny aorian'ny mitatao vovonana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...