♦ Manoloana ny hirosoana amin'ny fifampidinihana amin'i LaFrantsa, mikasika ireo nosy manodidina, miantso ny firaisan-kinan'ny Malagassy tsy vaky-volo ny antoko AKFM na misy aza ny tsy fitoviam-pijery mba hamerenana izany amintsika... ♦ Horafetina ny tetikasa ho an'ny tanora aty amin'ny ranomasimbe Indiana, mba hampivoarana azy ireo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra, eo amin'ny lafiny pôlitika, toe-karena ary sôsialy... ♦ Heverina ho vita amin'ny faran'ity volana ity ny pitsopitsony ahafahantsika misitraka ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky iraisam-pirenena, ho an'ireo fianakaviana marefo noho ny fiakaran'ny vidim-piainana sy vokatry ny hain-tany teto Madagasikara...
Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Tamin’izany andro izany, nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana". Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy‘ ary ‘efa akaiky ny andro‘, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa mbola tsy ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany". Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo, dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpitondra noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo".
10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco