18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.
I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Mila hijoroana hatramin'ny farany na dia hamoizana aina azy ny maha Tenin'Andriamanitra Azy. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
♦ Samy mitsipaka ny fanonganana ny birao maharitra eny amin'ny Antenimeram-pirenena ny solombavambahoakan'i Sakaraha Razakandrainy Dominique sy ny solombavambahoakan'i Tsiroanomandidy Ramaherijaona Hajaniriana... ♦ Niditra Hopitaly indray i Sedera kely, ilay ankizilahy 13 taona notifirin'ny dahalo tany Ambohijafy-Toamasina. Tsy azo atao intsony ny fandidiana azy hoy ny lehiben'ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha... ♦ Mitaky amin'ny fanjakàna handoavana ny anjara vola tamberimbidy avy amin'ny tetik'asa Ambatovy ireo Ben'ny Tanàna voakasik'izany. Misy akony ratsy amin'ny fampandehanana ny Kaominina ny fampihatoana hoy izy ireo...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco