♦ Ravan'ny afo ny tanàna tao amin'ny Fokontany Labandy, Kaominina Maromadia any amin'ny Faritra Sofia. Trano miisa 120 tafo no kila hotohoto... ♦ Sarotra ny fifehezana ny afo ao amin'ny valan-javaboahary Ambohitantely ao amin'ny Distrika Ankazobe ato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena. Nahetsika avokoa ny ratsa-mangaika ao amin'ny tafika malagasy hanampy tosika amin'ny famonoana ny afo... ♦ Nahavitabe tamin'ny fampandrosoana ny  tontolo ambanivohitra ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM. Ny mpikambana izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroan'izany rafitra izany...

♦ Hanao ny Visite any Limina any Roma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra ho avy izao... ♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy. Miantso ny olom-pirenena hanampy azy ireo ny olona jamba rehefa mahitra azy ireo tojo fahasahiranana eny an-dalana... ♦ Ho hentitra ny sazy ho an'ireo tratra mandoro ala eto amintsika hoy ny Praiministra. Misy tambazotra ny fandoroana ala amin'izao fotoana izao hoy Andriamatoa Ntsay Christian ka tsy azo ekena izany... 

15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.

Fifamenoana ny fiainana, ka mila mifameno amin’ny lafiny maro ny ray sy ny reny ao an-trano ho fampandrosoana ny ankohonany. Hoy ny Soratra Masina: “Isika rehetra dia samy momba ny tenantsika avokoa, koa tsy natao hifanohitra ny tsy fitoviantsika, fa hifameno. Tsy ozona ny asa fa tso-drano avy amin'Andriamanitra sady mampiavaka ny olombelona. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...