♦ Hisy manomboka izao ny fiandrasan-draharaha eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo. Tsy maintsy irosoana ny fitsarana manokana manoloana ireo raharaha tsy azo hialana noho ny hamehana... ♦ Miandrandra olona mahay sy mahafehy ny diplômasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy... ♦ Mihorohoro ny mpiray tanana any amin'ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina Morondava, vokatry ny fandrahonana nataon'ny jiolahy tafatsoaka tao amin'ny hôpitaly nitsaboana azy...

♦ Misondro-bidy ny akora fasimainty sy ny cobalt ary nickel eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Hoavy mamirapiratra ho an'ny Madagasikara eo amin'ny lafiny toe-karena izany, ka tokony ho fanararaotra, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana... ♦ Nisantatra ny fivoriana fanomanana ho an'ny fikaonan-doha ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy ho an'ireo tany aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, na ny ADDOI andiany voalohany, hotanteraha eto Antananarivo ny 4 sy 5 nôvambra 2022, ny mpikarakara omaly... ♦ Nanazava ny herisetra sy ny habibiana mitranga any amin'ny Distrikan'i Belo Ambonin'i Tsiribihina, ny Solombavam-bahoaka Rabemanantsoa Jeannot...

Tafita any amin'ny zanaka tokoa ve ny fampirisihana ataon'ny ray aman-dreny hoe : "ny fianarana no tena lova tsara indrindra" ? Tsy mitovy intsony amin'ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nilazana izany ny tranga ankehitriny sy ny tontolo manodidina, ka izay no mahatonga ny fanontaniana hipetraka. Na inona na inona anefa trangam-piainana miseho ankehitriny dia tena mbola manana ny hasiny ny fianarana, indrindra ny any amin'ny fanabeazana fototra.

♦ Nesorin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, tsy ho isan'ny mpikamban'ny Governemanta Ntsay Christian, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Randriamandranto Richard. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, no misolo toerana azy vonjy maika... ♦ Tsy azo ekena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ireo depiote mihoa-pefy, mitsabaka manao ny asan'ny manam-pahefana mpanatanteraka. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...