♦ Nitsipaka ny fikasàn'ny FFKM hitarika ny fifampidinihin'ireo mpisehatra politika, manoloana ny raharaham-pirenena ny fitondrana. Nanamafy izany fandavana izany ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Nihena ny isan'ny mpianatra eny amin'ireo sekoly miahy tena tamin'ity taom-pianarana vaovao ity, hoy ny Federasiôn'ny sekoly tsy miankina. Maro tamin'ireo ray aman-dreny no namindra ny zanany eny amin'ny sekolim-panjakàna, noho ny olana ara-bola... ♦ Samy hiatrika lalao amin'izao faran'ny herinandro izao ireo klioba misoloten antsika amin'ny fifaninana afrikàna isan-tarika eo amin'ny baoina kitra. Hanafika any Eswatini anio tolak'andro ny CFFA, handray an'i PWD de Bamenda eny Mahamasina kosa rahampitso ny ElgecoPlus...

♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika fanaovana kôpia hisitrahana kara-panondrom-pirenena faobe ny sendikàan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna. Nanao fanambaràna nilaza izany izy ireo, omaly... ♦ Hovatsian'ny Banky afrikàna momba ny fampandrosoana vola 1,4 tapitrisa dôlara ireo orinasa madinika sy salan-tsalany eto Madagasikara. Orinasa 300 isa no hisitraka izany anatin'ny tetik'asa SME-BLP... ♦ Hiara-hiasa amin'ireo orinasa manana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ka mihoatra amin'ny ilainy ny Jirama manomboka izao. Hovidian'ity orinasam-panjakàna ity izany, anatin'ny fampiharana ny tarif "optima Busness"...

17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.

Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny "lahy no lohan'ny vavy" ; tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglizy. Izany no midika fa i Kristy no mitarika sy  mitondra ny Eglizy amin'ny lalam-pahendrena sy fahamasinana lavorary, ary novelominy tamin'ny alalan'ny Sakramenta fito izay natsangany. Toy izany koa ny anjara toeran'ny lahilahy raim-pinakaviana ao an-tokantrano : Mitarika, mitondra, mamelona. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...