♦ Tsy misy ambadika pôlitika ny fanaovana ny kopia faobe sy ny kara-panondrom-pirenena faobe, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany. Mbola mitana ny heviny ka mitaky fandaminana kosa ny SMM... ♦ Namoaka fanambarana manameloka marindrano ny fanasaziana ny Lehiben'ny Distrikan'Ikongo ny sendikan'ny SYNAD... ♦ Nandraisana fepetra ireo vola vahiny, izay efa tafakatra 494 tapitrisa dolara, tahirizin'ny tompony fotsiny any amin'ny banky...

♦ Tsy maintsy vitaina mialoha ny faran'ny taona ny famadihana ho "Or monnétaire" ireo volamena, tratra saika nahondrana antsokosoko any ivelany, hoy ny governoran'ny banky foiben'i Madagasikara... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra hatramin'izao ny fanjakàna sy ireo vondron'ny mpanafatra sy mpaninjara ny solika eto Madagasikara. Tsy voafaritra mazava mantsy ny vola ananan'ny fanjakàna amin'ireo vondrona mpanafatra sy mpaninjara solika ireo ary toy izany koa ny vola ananan'izy ireo amin'ny fanjakàna... ♦ Nahemotra ho amin'ny sabotsy 24 septambra ho avy izao ny fanokafana ny taom-pikatrohan'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara izay saika notanterahina ny sabotsy 3 septambra lasa teo...

♦ Tafiakatra 16 isa ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomamy, nisehto tany Antsohihy tamin'ny alahady alina. Tratra tany Analalava ilay botry nandona azy ireo, ka hirosoana ny fanadihadiana... ♦ Nankatoavin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny famoahana ny ampahany faharoa amin'ny FEC ho an'i Madagasikara. Fanampiana avy amin'ny FMI izy io zay mitentina 31,9 tapitrisa dolara... ♦ Hampivoitra ny ezaka ataony, hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo mandritra ilay hetsika ara-toekarena, Foara iraisam-pirenena ho an'ny fambolena hanomboka ny 22 septambra 2022 izao, ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...

14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...