♦ Hanomboka anio any New-York ny fivoriambe faha-77 an'ny Firenena Mikambana. Isan'ny ivon'izany ny fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana maneran-tany... ♦ Nisokatra ôfisialy androany ny fifanarahana ara-barotra andiany faha-9 eo amin'ny Vondrona Eorôpeanina sy ireo firenena dimy ka isan'izany i Madagasikara... ♦ Nampahafantatra androany ireo mpikambana maro an'isa anatin'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF, fa efa lany daty androany ny fe-potoam-piasan'ny birao teo aloha, ka tsy tokony hampiasa ny anaran'ny sendika intsony izy...

♦ Diakra 29 no nohamasinina tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nitohy tamin'ny fivahinianana masina izay fanao isan-taona ny fandaharam-potoana... ♦ Ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina dia nankalazaina omaly ny faha-19 taona nijoroan'ny Aumônerie Catholique Sainte Croix Analakininina. Tamin'izany koa no nanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Fiangonana izay homarihana amin'ny taona 2023... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nitondran'ny Papa François fampianarana mahakasika ny fiainana mandrakizay...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe: "Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao."

♦ Am-polony isan'andro ny mpiasam-panjaka tonga eny Anosy milaza manana olana amin'ny tambikarama : Fanadihadiana momba ny olana amin'ny tambikarama tokony ho sitrahan'ireo mpiasam-panjakana rehefa handeha hisotro ronono... ♦ Misy ankehitriny ireo olona maty vokatry ny tsy fahampian-tsakafo any amin'ny distrikan'i Ikongo. Mbola mitoetra mandrak'ankehitriny ny takaitran'ny rivo-doza nandalo tany an-toerana... ♦ Miisa enina ireo olona efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana voasaringotra amin'ny fanapohana solika tany Antanandava-Toamasina... ♦ Hafenina anio alatsinainy ny nofo mangatsiakan'ny Mpanjakavavy Elizabeta faharoa...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...