♦ Mihazo ny ao Mandaniresaka hanaovana ny lanonam-panokafana sy ny Sorona Masina fanokafana, amin'izao ora izao, ireo tanora mpivahiny, hiatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 any Antsirabe. Eny an-dalam-be, misy ny fanentanana momba ny tontolo iainana, atrehin'izy ireo... ♦ Miray fo amin'ny vahoaka any Ikongo ny governemanta manontolo, hoy ny mpitondra teniny. Mila tezaina isika amin'ny fanajàna ny tany tan-dalana hoy ny ministra Lalatiana Andriatongarivo... ♦ Hirosoana tsy ho ela ny fifidianana ireo mpikambana tompon-toerana eo anivon'ny Antenimieran'ny varotra sy ny Indostria manerana an'i Madagasikara...

♦ "Mitsangàna fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao", Lohahevitra hifantohan'ny JMJ Mada andiany faha-10, hanomboka anio any Antsirabe... ♦ Azo lazaina ho efa milamina amin'ny ankapobeny ny any Ikongo, nidina tany an-toerana omaly ny Praiministra Ntsay Christian sy ny ministra maromaro, nanatanteraka ny fampihavanana sy nametraka ny fitoniana... ♦ Natomboka omaly teny Alarobia ary hitohy androany ny atrikasa fampahafantarana ny drafitrasa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ho an'ny faritanin'Antananarivo...

31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.

31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...