♦ Hanomboka anio maraina any Antsirabe ny fandraisana ireo tanora mpizaika isan-diôsezy hanatrika ny JMJ any an-toerana. Efa an'arivony amin'izy ireo no efa tonga any an-toerana, nanomboka omaly... ♦ Olona 11 isa farafahakeliny no maty, 20 isa any ho any no naratra, vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona, izay nitaky fitsaram-bahoaka... ♦ Hanao diabe ao an-drenivohitra anio ireo mpitondra taxi, ho fanoherana ny hiasàan'ny taxi-moto. Nilaza ny hanao ny hetsika izy ireo, na nahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet- an'ny Polisy... ♦ Atahorana hitera-doza mafy any Ukraine ilay toby famokarana angovo nokleary any Zaporijia. Handefa teknisiana hijery izany ny AIEA amin'ity herinandro ity...

30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.

Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Talata 30 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...