Talata 20 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21
♦ Hanomboka anio any New-York ny fivoriambe faha-77 an'ny Firenena Mikambana. Isan'ny ivon'izany ny fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana maneran-tany... ♦ Nisokatra ôfisialy androany ny fifanarahana ara-barotra andiany faha-9 eo amin'ny Vondrona Eorôpeanina sy ireo firenena dimy ka isan'izany i Madagasikara... ♦ Nampahafantatra androany ireo mpikambana maro an'isa anatin'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF, fa efa lany daty androany ny fe-potoam-piasan'ny birao teo aloha, ka tsy tokony hampiasa ny anaran'ny sendika intsony izy...
♦ Diakra 29 no nohamasinina tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nitohy tamin'ny fivahinianana masina izay fanao isan-taona ny fandaharam-potoana... ♦ Ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina dia nankalazaina omaly ny faha-19 taona nijoroan'ny Aumônerie Catholique Sainte Croix Analakininina. Tamin'izany koa no nanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Fiangonana izay homarihana amin'ny taona 2023... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nitondran'ny Papa François fampianarana mahakasika ny fiainana mandrakizay...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe: "Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao."
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco