♦ Hanao fanadihadiana momba ilay raharaha fitifirana namoizana ain'olona am-polony maro tany Ikonjo ireo solombavambahoaka. Hatsangana ny vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera momba izany... ♦ Efa nivoaka ny lisitr'ireo voafantina mpianatra ho zandary, ka hiatrika fiofanana tsy ho ela. Notononina ampahibemaso omaly ny anaran'ireo afaka tamin'ny dingana fifaninana faharoa... ♦ Dinihina sy ifanakalozan-kevitra eny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny tanàna Analakely nanomboka omaly ny olana sy ny tontolon'ny fananan-tany. Toerana hampahafantarana ny rehetra ny momba ny lalàna mifehy izany sehatra izany...

08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.

Maro ireo tsy mivavaka raha tsy efa misy zavatra ilainy ka manao hata-piso amin'Andriamanitra. Tsy vitsy ireo mivavaka mba ho hitan'ny olona. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Talata 8 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...