Ny hevitry ny teny hoe " famolavolana" dia tsy mbola midika fa efa voaantso amin'ny fandraharahana ny olona iray voakasik'izany, saingy ireo singa rehetra afaka manampy azy ho amin'izany no hita ao amin'io "famolavolana" io. Sehatra telo no hisian'ny famolavolana dia : Ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana.  Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 25 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51

♦ Manamafy hatrany ireo toromarika tsy maintsy arahan'ireo fiara hanatanteraka fitaterana manokana, hitondra ireo mpizaika amin'ny JMJ Mada X izay hatao any Antsirabe, ireo tompon'andraikitra... ♦ Nadikan'ny antoko Otrikafo ho fanangan-tsaina fotsy sahady ny fanazavana nomen'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, momba ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy malagasy bodoin'i Lafrantsa... ♦ Androany maraina tamin'ny 7 ora sy sasany, vao maty ny afo tao amin'ny Faritra Arovana Kalobinoro, Distrikan'Ambilobe, Faritra Diana, izay nirehitra alina. Tombanana ho 20 Ha ny faritra ravan'ny afo...

♦ Amin'ny volana septambra izao no tokony hiverina ny fifandresen-dahatra eo amin'ny Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina na ireo îles éparses... ♦ Mitohy ny fitakiansika ny hampodiana ilay volamena 73 kg tratra tao Afrika-Atsimo. Mbola misy ny fandaminana ara-politika sy ara-pitsarana... ♦ Hivoaka amin'ny volana oktobra izao ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny banky iraisam-pirenena, mikasika ny fiatrehan'i Madagasikara ireo loza sy ny tandindon-doza, ka ho ampahafantariny amin'ny tapaky ny volana novambra ny vola hanampiany an'i Madagasikara izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...