18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.
Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9
♦ Nanome toky androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa hanaraka akaiky ireo raharaha mafampana mahakasika ireo Solombavam-bahoaka, ny andrim-panjakana izay tantanany... ♦ Tsy manan-kery ireo raharaham-pitsarana tsy atrehana sy tsy soniavin'ny mpirakidraharam-pitsarana. Mbola mitohy ny fitokona, hoy ny Sendika androany... ♦ Lohan'olona folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo Ambonin'i Tsiribihina. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa, ny Olobe avy any an-toerana...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco