Hanohana ny FAFIALA amin'ny fampiroboroboana ny sehatr'asa ataony indrindra fa ho an'ny lalam-pihariana landy ny Ministeran'ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nankalazana ny ivon'ny faha-30 taona nijoroan'ity foibe ity ny sabotsy 08 ôktôbra lasa teo teny amin'ny foiben-toerany teny Ambohimangakely, Distrika Antananarivo-Avaradrano.

♦ Miisa 179 ireo voafonja teny Antanimora no tsy afaka niatrika ny fitsarana, tao anatin'ny herinandro nanaovan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana fitokonana... ♦ Nidina ifotony nanentana amin'ny fanajana ny lalana sy niantso fitoniana ny OMC any Morondava manoloana ilay horonam-peo niparitaka, mivoy fandatsahana ain'olona... ♦ Nahetsika androany ny zandary 250, hanampy ireo olona 600 hamono afo any Ambohitantely Ankazobe...

Afrika no kontinanta manana tanora be indrindra. Tombony ho an’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena iray izany raha toa voabe sy mahazo ny tohana araka ny ilaina ireo tanora. Maro anefa ireo fanamby atrehin’ny tanora amin’izao fotoana izao. Mila ampiana izy ireo manoloana izany, hahalala ny tenany, hamantatra sy soatoaviny ary hahay hametraka fitsipi-piainana izay hahafahany miatrika ireo zava-manahirana lalovany...

♦ Mbola tsy maty ny afo eny Ambohitantely Ankazobe hatramin'izao. Olona 600 no hifarimbona hamono ny afo eny an-toerana anio, izay hiara-hisalahy amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Mandeha amin'ny ampahany ny asam-pitsarana eny Anosy, na eo àry ny fitokonana ataon'ireo mpiraki-draharaham-pitsarana. Fitokonana izay efa naharitra herinandro... ♦ Nosoketain'ny mpanakanto sasantsany ho manjakazaka ao amin'ny OMDA ny antoko Freedom. Misy amini'reo mpanakanto, noho izany, no mitaky ny hanakatonana ny OMDA...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...