Mandia herinandro vaovao indray isika, herinandro farany amin'ity volana febroary ity. Izany hoe eto ilay fiandrasana ny faran'ny volana izay mampiasa saina ny ankamaroan'ny mpiasa. Toa efa lasa fahazarana mantsy ilay fomba fanaon'ny karama izay manao fandalovana fotsiny ao an-tokantrano ao. Raha atao kisarisary an-tsaina dia indreo efa miatrana miandry haka ny anjarany avy ireo filana fototra tsy azo ialana: ry rahofantrano, rasakafo, rasaran-dalana, rasaram-pianarana, rajirama sy ny sisa tsy ho votatanisa e! Toa tsy manan-jo na iniana omena lamosina aza mazàna ny fil na fototra hafa, satria hodian-tsy hita sy tsy eritreretina, ny tsy ampoizina hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretina mety handalo tampoka amin'ny maha nofo sy ra ny olombelona.

  • Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an'i Madagasikara. Mitoetra any Atsinanan'ny morontsiraka afovoany-Atsinanan'ny nosy ny voalohany ary ao amin'ny lakandrano Môzambika ny faharoa...
  • Nitera-doza teny Ilanivato ny fihotsahan'ny rindrin-tany manana haavo sahavo 10 metatra. Olona telo no maty vokatr'izany...
  • Tafita hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Basket-bal 2025, izay hatao any Angola, ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay...
  • Vaovao mikasika ny fahasalaman'ny Papa François...

24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.

Ankoatr'ireo vavaka, isan-karazany, nasian'ny Papa François François fampianarana sy fanentanana manokana. Ny firaisana resahana eto dia ilay fiombonana tanteraka tamin'ny Ray ; rehefa ampiraisin'i Kristy isika, maka tahaka Azy dia hisokatra amin'ny hafa. Didy miafina ara-panahy navelan'i Jesoa ny hiombonan'ny kristianina, hoy ny Papa François... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...