Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Omena 2 volana hitsaràna azy ireo ministra vao notendrena ary hoesorina avy hatrany izay tsy mahavita ny asany hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Niatrika avy hatrany ny filan-kevitry ny ministra sy ny filan-kevitry ny governemanta ireo ministra vao notendrena omaly... ♦ Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i La-Frantsa amin'ny raharaham-pirenena Malagasy, ireo olom-pirenena nanao hetsika teo anoloan'ny masoivoho Frantsay teny Ambatomena, omaly Talata 28 oktobra 2025...

Tanjon'ny Sacrosanctum Concilium : fanavaozana ny Lijorjia mba ho loharanon'ny fiainam-panahy sy fandraisan'ny vahoaka anjara, nanamarika izany ny daty 4 desambra 1963. Ny hevitra fototra dia kristy no miasa ao amin'ny Litorjia ; ny vahoaka rehetra mandray anjara mavitrika. Vokatra lehibe : Fiteny teratany amin'ny Missel...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...