• Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny sendika Triade. Saika mboa ny olon'ny fitondra teo aloha avokoa, hoy izy ireo, ny 95 % ny ekipa teknika ao amin'izany minisitera izany... • Hikarakara ny dingana rehetra amin'ny fanendrena ny Tale Jeneralin'ny CNAPS vaovao, ny Minisiteran'ny Asa, Fampanana asa ary ny Asam-panjakana. Nametra-pialana ny Tale Jeneraly Vimbina Rahaingonjatovo... • Mametraka paikady tsy hiparitahan'ny valan'aretina, indrindra fa ny nendran-drajako, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoam-pahavaratra izao...

• Nametra-pialana ny Tale Jeneralin'ny CNAPS, Vimbina Rahaingonjaotovo. Tontosa androany maraina teny Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana asa ary ny Asam-panjakana... • Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny sendika Triade. Mbola mitohy ny antsojay sy ny sakantsakana samihafa, tsy ahafahana miroso amin'ny fanavaozana, hoy izy ireo... • Tsy hametraka trano fialofana ho an'ireo traboina vokatry ny tondra-drano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin'ity fotoam-pahavaratra ity, ho fampiharana ny fiarovana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina nendran-drajako...

• Nietry hatrany ny harin-karena teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972, araka ny fampirantiana an-tsary karakarain'ny FTHM Consulting. Isan'ny antony nahatonga izany ny tetezamita izay tena lava tokoa... • Nanome toky, fa hanatanteraka fifidianana hidirana any amin'ny Repoblika fahadimy, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Michaël Randrianirina... • Miseho sahady ny endri-panararaotana ataon'ny mpivarotra ny arovava sy orona, izay isan'ny sakana ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny areti-mifindra MPOX...

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy, ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny delegasiona miaraka aminy. Marolafy ireo fandaharam-potoanany amin'izany... • Nodimandry i Houssene Abdallah. Andraikitra maro teto amin'ny firenena no efa notanany, toy ny naha mpikamban'ny CENI azy, Minisitra ary Solombavam-bahoaka... • Vonona hanome tohana ireo mpianatra afaka Bakalorea, tsy tafiditra eny amin'ny oniversitem-panjakana, ny sekoly ambony ESDES. Misy ny fidirana andiany faharoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...