Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Manamariika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano ity...

♦ Mbola tsy mitovy ny tandin-dokanga eo amin'ny CENI sy ireo antoko pôlitika, manoloana ilay logiciel Sigle, iray andro mialoha ny fanombohan'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niafara tamin'ny fifanarahana ny dinika teo amin'ny fitondrana malagasy sy ny Vondrona Eorôpeana manoloana ny jona lamatra. Niabo 40% ny vola haloan'ny Vondrona Eorôpeana eo amin'io sehatra io raha oharina amin'ny fifanaranahana teo aloha... ♦ Manamafy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy maintsy hiaran'ny sazy ireo mpitandro ny filaminana voaporofo fa mandika ny lalana sy ny sata mifehy azy ireo...

Ny fifamenoana eo amin'ny ray sy ny reny dia ao anatin'ny fitsipiky ny fiainana. Maro ny sehatra hifamenoin'ny mpivady : eo amin'ny lafiny fivelomana andavanandro, fiahiana ny fiainan-tokantrano, ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka. Mba hatsara ny fiainan'ny mpivady dia ilaina ny fifanabeazana sy ny famaritana soatoavina iombonana ary ny lafiny ara-pinoana. Mivelatra ny fifamenoin'ny mpivady, indrindra ny fifandraisana amin'ny mpiara-monina, ny fananganana tetik'asan'ny fianakaviana...

♦ Nampanantena hanolotra angidimby hiaka farany ho an'ny Tafika Malagasy, ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fanamarihana ny fetin'i Masina Misely, mpiaro ny mpilatsaka an'elonaina... ♦ Niharan'ny fanafihan-dahalo indroa miantaona ny tany Bekopaka. Mamerina hatrany ny antso avo ho fanampiana sy fampitaovana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana ny Ben'ny tanana teo aloha any Bekopaka... ♦ Foana ny fampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony nataon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...