Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao  anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3

♦ Nitatitra ny famotorana nataony momba ny raharaha tany Ikongo androany, ny eo anivon'ny Zandarimarim-pirenena. Tsy fidiny ny nampiasana basy nisian'ny fatiolona, hoy ny Sekreteram-panjakna miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Nanao fanadihadiana mahaleo tena ny CNIDH, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Naharitra 20 segondra ny tifitra nataon'ny Zandary, hoy ny tatitry ny Vovonam-pirenena misahana ny Zon'olombelona navoaka androany teny Antsahavola... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana ao aorian'ny fampahafantarana ny tompon'andraikitra, ireo mpiasa eo anivon'ny fampianarana ambony...

♦ Nifarana tamin'ity herinandro ity ny fe-potoam-piasan'ny mpikambana ao amin'ny komitin'ny Fampihavanana Malagasy "CFM". Ny sekretera mpanatanteraka no misahana ny fampandehan-draharaha andavanandron'ny CFM... ♦ Manomana fombafomba hamitranam-pihavanana manoloana ny raharaha nitranga tany Ikongo ny fiombonamben'ny Tangalamena eto Madagasikara. Tsy nahafoana ny disadisa nisy ny nanoloran'ny zandary omby namintranam-pihavanana andro vitsy taorian'ny tifitra nahafaty olona am-polony hoy izy ireo... ♦ Ny fahantrana lalina mimpaka amin'ny vahoaka malagasy sy ny tsy fahatokisana ny mpitandro filaminana no mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana hoy ny antoko Madagasikara ho an'ny Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...