Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...
♦ Mikasa hanolotra tolo-dalana hanitsiana sy hanamorana ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ireo olom-panjakana ambony izay voasaringotra eny amin'ny Fitsara Avo, ny Solombavam-bahoaka Rivotina Jean Bosco... ♦ Efa nalefa eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ny vokatry ny fitsirihana tamin'ireo orinasa nikojakoja ny lalana. Ireo orinasa nahafeno ny fepetra notakiana ihany anefa no hisitraka ny vola, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... ♦ Marobe ireo trangan-doza am-prerinasa na aretina vokatry ny asa, any amin'ny faritra avaratry ny nosy...
Ny fahaizana manaja ny zokiolona, na fahaiza-miaina amin'ny ankapobeny dia miainga eo anivon'ny ankohonana. Matoa ny firenena vanona, dia olom-banona no novolavolain'ny fianakaviana, izay fototra iorenan'ny firenena iray, satria ny tsirairay tamintsika dia niainga teo anivon'ny fianakaviana. Ny fianakaviana maromaro miara-monina no nitambatra ho lasa firenena. Na eo aza ny fivoarana entin'ireo teknolojiam-pifandraisana, dia tsy ho entina hampisara-bazana ny ankohonana akory fa tokony hahatonga fihavaozana sy fivelaram-piainana aza izany, ho entina hampandroso ny firenena.
Ny tena ivon'ny fihainoana dia ny fo. Hita nisongadina ho olon-kendry i Salômôna mpanjaka na dia tanora aza satria nangataka tamin'ny Tompo izy mba "hanana fo mihaino". Manasa antsika hihaino amin'ny fo (corde audire), handray ny Tenin'Andriamanitra tsy amin'ny sofina eto ivelany fa am-panahy ao amin'ny fo i Md Augustine : manàna fo ao amin'ny sofina fa tsy sofina ao amin'ny fo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco