♦ Hanomboka anio atsy Afrika-Atsimo ny fivorian'ireo Parlemantera panafrikàna. Parlemantera malagasy miisa efa no nandeha niatrika izany, hidinika ny fahafaha-miatrika ara-tsakafo aty Afrika... ♦ Hisy ny fanavaozana fahazoan-dalana mitrandraka ho an'ireo efa nanana izany. Fepetra noraisin'ny fanjakàna izany, mba afahan'izy ireo miasa aloha, mandram-pivoakan'ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tsy tokony mbola hovahàna ny fahafaha-manondrana harena ankibon'ny tany any ivelany, hoy ny Alliance-Voahary-Gasy. Nambaran'ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity fa mbola manjavozavo miteraka kolikoly ny zava-misy amin'izao...

♦ Tanora maherin'ny 30.000 isa no hanatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 hatao any Antsirabe. Efa milamina ny fanomanana rehetra na ny fampiantranoana na ny fitaterana na ny fitandroana ny filaminana, hoy ny teo anivon'ny VPKT, omaly... ♦ Ezahina ho vita tsy ho ela intsony ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany. Anatin'ny fakàn-kevitra isak'ireo sokajina mpiantsehatra ety Ivato ny Ministera nanomboka ny tapak'ity volana ity... ♦ Noravàn'ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Maninday-Toliara omaly ny fifaninanam-pirenena ho an'ny fanatanjahan-tenan'ny mpiasam-panjakàna. Mitokona indray izy ireo, noho ny fitakiana vatsim-pianarana...

23 aogositra — Tera-tany espagnol i Rose, teraka ny taona 1586 tao Lima. Isabel Flores de Oliva no anarany, meva toy ny raozy izy ka izany no anaram-bositra nomen’ilay mpitaiza azy azy.

Antso ho amin'ny fahamasinana no antso tokana iantson'Andriamanitra ny olona rehetra, koa na iza na iza, dia nantsoina ho masina. Anjaran'ny tsirairay ny manamasina ny tenany ao amin'ny fiangonana amin'ny alalan'ny vavaka, ny fahaizany mitia an'Andriamanitra sy ny namany. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...