19 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

• Haneho hevitra ankalamanjana ary hangataka lalana amin'ny Préfet an'Antananarivo, ahafahana manao izany, ny Hery Politika Mitambatra sy ny mpiara-dia aminy, rehefa tsy navela hivory sy haneho hevitra anaty trano. Nomena anarana ho Vondrona Fanarenam-pirenena koa ny fiombonamben'izy ireo, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Natao androany ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny olona amin'ny fampiasana ny harina sy kitay madio sy manaja tontolo iainana sy fenitra... • Efa afaka mandeha ny baka fitaterana ao Ifasy sy Mahavavy amin'ny Lalam-pirenena fahenina. Laharam-pahamehana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra, ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina...

  • Tsy mbola nisy mangirana, iray volana sy tapany aty aoriana ilay fitorian'ny Antoko HVM teny anivon'ny Sampana Misahana ny Heloka an'habaka,  mikasika ny  raharaha faénapariahana vaovao tsy marina, sy fanalambaraka nataona tambazotran-tserasera iray...
  • Tsy marisika intsony amin'y fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena feno taona, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE)...
  • Tantsaha manodidina ny 1.300 isa no voakasika amin'ny famerenana ny masomboly vary safiotra, nozarain'ny fitondram-panjakàna tao amin'ny kaominina Antanambe-Distrika Amparafaravola...
  • Mitohy ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ny Papa François ao amin'ny Hôpitaly Gemelli...

Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ny Jihe dia lahabolana fanao amin'ny fifaliana, fahoriana, famondrona hery hanao asa na dia iraisana. Amin'ny fihaonan'ny antoko mpiangaly jihe amin'ny sampanan-dalana iray dia misy ny fifanandrinana, fifamelezana io ilay atao hoe "BILO", eto dia tanana no hifamelezana fa tsy mampiasa fitaovana hafa. Azo ampilaharina amin'ny sangy mahery ny BILO...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...