Ny rariny sy ny fahamarinana dia toy ny tononkalo na poezia. Ny Pape amin'ny mahaolon'ny haisoratra azy dia manana fomba fijery sy fandinika mampiavaka azy, notsiahiviny fa ny mpitsara dia oharina amin'ny poety, ny mpitsara dia manana iraka manokana mba handrafitra poezia hitsaboana ny ratran'ireo mahantra, eo amin'izao tontolo izao. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 16 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 14-21
♦ Mitady hevitra tsy hiakaran'ny vidin-tsolika intsony ny fitondram-panjakana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, androany tany Mandoto. Hampivory ny mpiasan'ny JIRAMA ihany koa izy amin'ny herinandro, ka tsy maintsy hojerena ny vahaolana fohy ezaka sy lavitrezaka mikasika ny JIRAMA... ♦ Tsy hanavahana antoko ny fampandrosoana an'i Madagasikara, fa miara-miasa amin'izay rehetra mitovy tanjona amin'izany ny Filoha Andry Rajoelina, ka novaliany avy hatrany androany, ny fangatahan'ny Solombavam-bahoakan'i Mandoto, izay avy amin'ny antoko TIM...
♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco