Zoma 29 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58
♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fifampiresahann'ny ankolafin-kery eto amin'ny firenena ny antoko Otrikafa. Tsy ekena hoy izy ireo ny fikatsahana fiaraha-miasa aorian'izany dinika izany... ♦ Tompon'antoka amin'ny fidangan'ny vidin'ny entana ilaina andavan'andro eto amintsika ny ministeran'ny varotra hoy ny filohan'ny Fikambanan'ny Tanora avara-pianarana na ny FITAMA... ♦ Mampiodina tetik'asa mivohy mankany amin'ny fandriampahalemana ny Antilin'i Madagasikara any amin'ny diosezy Ambositra... ♦ Hifampiresaka amin'ny lehiben'ny diplômasia rosiana ny lehiben'ny diplômasia amerikana. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hanaovana izany...
Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Mikaon-doha mandritra ny 03 andro eny Ambohipo ireo pretra, relijiozy, laika ao amin'ny vaomieran'ny fifandraisan'ny mpiara-belona avy amin'ny diosezy 22 eto Madagasikara... ♦ Nitsoaka ny fonja nihazonana azy tao Ambalatavoahangy any Toamasina ny voafonja miisa 03 lahy. Voasambotra ny iray, nifampitadiavana hatramin'ny omaly hariva ny 02 ambiny... ♦ Nidinika ny olana sedrain'ny mpisolo vava eo am-panatanterahana ny asany omaly ny holafitra sy ny ministeran'ny fitsaràna... ♦ Miisa 650.000 mahery ny isan'ny olona matin'ny SIDA tamin'ny taona 2021 araka ny tatitra navoakan'ny OMS. Miisa 1.500.000 mahery ireo mitondra ny tsimok'aretina araka ny fitiliana natao ny 2021...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco