♦ Hanara-dia ireo antoko politika hanohana ny fihaonambe kasain'ny RMDM hatao eny amin'ny Magro Behoririka ny sabotsy izao ny antoko TEZA... ♦ Mitohy ny fitokonan'ny mpiasa ao amin'ny ministeran'ny raharaham-bahiny. Tsy mbola nisy ny dinika niarahan'ny ministra mpiahy tamin'izy ireo nandritra ny iray volana mahery nitokonana hoy ny filohan'ny sendika... ♦ Hisitraka famatsiam-bola 4.600.000.000 Ariary mahery avy amin'ny orinasa japoney iray " Japan Tuna" ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Nosoniavina omaly ny fifanarahana momba izany...
21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.
Taratra ho manana ny lanjany manokana tokoa ny rariny, eo anivon'ny toe-java-misy ankehitriny, satria ao anatin'izany, ankoatra ny fanambaràna ny fahavononana, dia ny soatoavina mahaolona, ny hasiny sy ny zony no tandindomin-doza noho ny fihanaky ny firehana tsy manam-penitra afa-tsy amin'ny zavatra ilaina sy ny fananana azy. Ny rariny dia tsy fifanarahana ifanaovan'ny olombelona fa ilay maha-olona. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 21 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 10-17
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco