Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...

♦ Hisorondrotra 100 Ariary mitaha amin'ny teo aloha ny saran'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo manomboka anio. Izay no tapaka tamin'ny fihaonan'ny mpitatitra sy ny filoha teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra omaly, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Nisondrotra nanomboka omaly ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly miainga eto Antananarivo. Misy ireo efa tafakatra 140 000 Ariary, taorian'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika, omaly... ♦ Miantso ny fitondràna hanao ezaka hisian'ny fandriam-pahalemana eto amintsika ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Handositra an-drenivohitra avokoa ny tantsaha, hoy izy, raha manao hatsirambina isika...

12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.

12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...