♦ Solombavambahoaka am-perinasa, ministra teo aloha, miampy karana telo amin'izao no namoahana didy tsy fahafaha-mivoaka an'i Madagasikara. Samy voarohirohy amin'ny fanondranana harem-pirenena ireo... ♦ Mandrahona hitokona indray iseo Paramed eny anivon'ny Hôpitaly. TSy mbola naharay ny valin-kahasasarana avy amin'ny fanjakàna nandritra ny covid-19 tamin'ny taona 2020... ♦ Mitaky ny hampiharana ny fanalefahan-ketra ho azy ireo ny sendikàn'ny mpanao asa tanana, izay efa voafaritry ny lalàna, anefa mbola mijanona ho fampanantenana hatramin'izao...
Ny "samirery" sy ny "samy irery" dia samy fampiasa, fa ity farany dia entina hanambarana tranga mitovy amin'ny olona tokana itovizana amin'ny maro, izay misy fampitahana. Ny voambolana "Afaka" sy ny "Azo" hampiasaina araka izao manarika izao, araka ny fihafaran'ny filaza madidy ny teny manaraka azy : Raha miafara amin'ny "A" dia hampiasaina ny "AFAKA", ohatra : Tonga - Tongava - afaka tonga ; raha miafara amin'ny "O" na "Y" dia "AZO" no fampiasa, ohatra : Atao - Ataovy- Azo atao. Voambolana mitovy ihany ny "TOA sy ny TOY" fa hampiasaina ny "TOA" rehefa miatomboka amin'ny "A" ny teny manaraka azy.
♦ Mandrisika ny Bianco sy ny PAC tsy hihemotra amin'ny fanadihadiana lalina amin'ilay raharaha famoahana volabe teo anivon'ny CNaPs ny SSM... ♦ Sesilany ny fitokonana eny anivon'ny Anjerimanontolo sasany eto Madagasikara, mitaky ny fandoavana vatsim-pianarana. Nitokona omaly ny mpianatry ny Oniversite Fianarantsoa sy Mahajanga... ♦ Nohafahan'ny fitsaràna ireo efatra mirahalahy nohampangaina ho namono ilay mpandraharaha indo-pakistanais Danil Radjan...
Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco