♦ Hihatra anio ary hitohy rahampitso ny Oniversite maty ho an'ireo anjerimanontolo sy ny foibem-pikarohana nasionaly manerana ny nosy... ♦ Navotsotry ny mpitandro filaminana ny filohan'ny FTAR izay nosamborina noho ny fitarihana hetsika an-dalambe ny sabotsy lasa teo... ♦ Nahavita ny fiofanana andiany voalohany ho fanatsarana ny kalitaon'ny onjam-peo ny mpiasa rehetra eto amin'ny RDB sy ny birao teknika saleziana... ♦ Hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena frantsay i Emmenuel Macron sy Marine Le Pen...

Izay malaina amin'ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan'ny mazoto kosa, manangon-karena. Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany. Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 11 aprily 2022 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11

Hoy Jesoa hoe : mampalahelo ianareo mpanankarena fa manana ny fahafaham-ponareo. Diso isika raha misaina toa ilay mpanankarena voalaza ao amin'ny baiboly manao hoe : ry aiko manampanana be ampy ho an'ny taona maro ianao, ka miala sasatra. Manamarina izany ny hoe : fa loza ho an'ireo mihevitra ny tenany ho mpanankarena, kanefa tsy manana an'i Kristy, fa azy ny fa azy ny fahantrana faran'izay lalina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...