♦ Manentana ny kristianina rehetra mba hifarimbona amin'ny voin-kava-mahatratra ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Notokanana tamin'ny 23 janoary 2022 ny fiangonana vaovao ao Ankatafana, Diôsezin'i Mananjary... ♦ Manentana ny kristianina rehetra hanahaka ny majy amin'ny fanarahan-dia an'i Jesoa ny Papa François, tamin'ny famaranana ny herinandrom-bavaky ny fiombonan'ny kristianina maneran-tany...

Nanao izay ho afany tamin'ny fampandrosoana eny amin'ny tontolo ambanivohitra tany amin'ny Faritra Vakinakaratra ny Vovonana SOAMIARADIA. Vondrom-pikambanana hankalaza ny faha-20 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity.

♦ Tafakatra ho 48 ankehitriny ireo olona fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny rotsak'orana nisesy, farany teo... ♦ Miverina mianatra ny mpianatra amin'ny alatsinainy izao, ary nanome toromarika ny hanamboarana haingana ireo sekoly simba ny Filoha nandritra ny filankevitry ny Minisitra... ♦ Hiala nenina farany hatramin'ny alatsinainy izao ny Federasiona Malagasin'ny Baolina lavalava mba hidiran'ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ny lisitra faoben'ny baolina lavalava malagasy...

Fantaro fa tsara noho ny volamena ny fahasalamana aman-toe-tena tsara. Aleo vatana mavitrika toy izay harena tsy hita lany (Ekles 30, 15b). Mila mahay mandanjalanja ny fiatraikan'ny zavatra atao amin'ny fahasalamana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...