18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.

Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...

Aretina efa nisy ary mbola misy ny takilo-drano, ary nisy ny hetsika entina hiadiana amin'izany tamin'ireo Distrika 19 manerana ny nosy tamin'ny alalan'ny fizaràna fanafody. Ny hetsika nasiônaly dia naharitra 5 andro ka nanomboka ny 12 mey hatramin'ny 16 mey 2025. Ny takilo-drao dia aretina vokatry ny kantsetsitra "kankana fisaka amin'ny karazana Schistosoma". Miaina sy mifindra amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny ranomamy misy ireo bibikely ireo, izay ahafahan'ny sifotra mamoaka ireo kankana ireo.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦Manohana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny Fanjakàna. Hitondra fampandrosoana maharitra ho an'i Toliara sy ny firenena ny orinasa Base Toliara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny teo amin'ny kianja Maître Kira... ♦ Mitondra ny hetahetany amin'ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena momba ny olana mahazo azy, ireo tantsaha niofana tao amin'ny Oniversite natokana ho azy ireo, tantanan'ny FORMAGRI... ♦ Misaona ny tontolon'ny fitantanan-draharaha-panjakàna eto Madagasikara, nodimandry ny alakamisy teo i Gervais Rakotonirina, administrateur Civil, ministry ny atitany teo aloha...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...