Ny soatoavina Malagasy dia fomba amam-panao, fihetsika, toetra, fomba ary foto-pisainana izay mifehy sy mitarika ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Ireo no maha-izy azy ny firenena sy mamolavola ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny anefa dia hita very sy mihalefy ireo noho ny rivo-baovao misy ankehitriny, ny teknôlôjia, ary ny faharefoan’ny fanabeazana. Noho izany dia ilaina ny mamerina, mampahatsiahy izany mba hisian’ny fitondran-tena mendrika sy lavorary. Azo ampiharina io manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH/SIDA... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

♦ Ho tapahana avokoa ny fifanarahana mambotry vahoaka, natao tamin'ireo orinasa mpamatsy herinaratra sy fitaovana ny JIRAMA hoy ny Ministry ny Angovo. Nampanantsoin'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny ministra androany... ♦ Mandeha amin'ny lalan-diso ny fitondràna amin'ny fampiharana ny fanavaozana hoy ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara. Miantso ny filoha handrava ny andrim-panjakàna rehetra izy ireo, mba hirosoana amin'ny fanorenana ifotony... ♦ Tsy manaiky ny fampidinana kely fotsiny ny saran'ny internet natolotry ny vondron'ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny Fanjakàna Malagasy...

♦ Mila fotoana lavalava ny fanovàna tian-kapetraka eto amin'ny firenena ka vao miainga amin'ny fototra isika izao hoy ny antoko Vahoaka Miray, manoloana ny tsikera mahazo ny fitondrana... ♦ Mijoro amin'ny heviny amin'ny fampihenana ny saran'ny INTERNET ny fitondram-panjakàna ho tombontsoaan'ny vahoaka mivantana. Tolotra tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ny avy amin'ny mpandraharaha araka ny fanambarana iombonana nataon'ireo ministera miisa telo misahana izany... ♦ Manana vala tahaka ahafahan'ny tantsaha mitaratra ny fahombiazan'ny teknika PFUMVUDZA, avokoa ankehitriny ny Faritany miisa 6 eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...