♦ Mikatso ny dinika eo amin'ireo orinasa mpandraharaha sy ny Fanjakàna momba ny fampidinana ny saran'ny Internet. Nanazava ny momba izany tamin'ny haino aman-jerim-pirenena, tamin'ny alina, ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Nafàna ny ady hevitra momba ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna teny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, omaly hariva. Hitohy anio ny fivoriana mety handaniana izany volavolan-dalàna izany... ♦ Tsy anisan'ireo nahazo fanasàna ny foibe nasiônaly ho an'ny fanabeazana katôlika (DINEC) amin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana....

Ny Litorjia dia mampihaino sy manambara ny Tenin'Andriamanitra, alohan'ny hanatanterahana ny Sakramenta. Efa natomboka taloha ny fanavaozana satria tsy mitovy ny famakiana boky taloha sy ny ankehitriny (Missel - Bréviaire...) Tsy tokony hiandry ela amn'ny fanavaozana (mitohy) mba tsy ho lany andro ny teny am-piasaina. Olona manam-pahaizana no manova azy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Tsy isan'ireo nahazo fanasana amin'ilay fikaonandoham-pirenena ho an'ny fanabeazana hatao etsy amin'ny CCI Ivato, amin'ny alarobia izao, ny Sekoly Katolika eto Madagasikara... • Tsy nahazo fahafahana vonjy maika Ramatoa Rakotomanga Rinah, tao aorian'ny fanohanana nataon'ny mpisolovava azy... • Solontena nitondra ny feon'ny firenena Malagasy tany Dakar, nandritra ny andiany faha-76 amin'ny fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Komity Ivondronan'ireo Minisitra ao amin'ny ASECNA, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Juste Créscent Raharisone...

♦ Nitsidika tampoka ny foiben-toeran'ny M'vola teny Ankorondrano, omaly, ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra mantsy ny fahatapahana miverimberina amin'ny fampiasàn azy io tato ho ato. Efa miverina amin'ny laoniny izany ankehitriny... ♦ Be fanantenana ireo mpanondrana Letsia any amin'ny Faritra Atsinanana fa hitombo betsaka ny vola hiditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ity taona ity, noho ny fanavaozana nentina amin'ny fanondranana Letsia eto Madagasikara... ♦ Tsy mety eto Madagasikara ny fanaovana fifidianana mivantana andraisan'ny daholo be anjara, hoy ny Profesora Rakotonirina Solonjatovo, SG an'ny Antoko Fihavanantsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...