♦ Nanomboka androany ny fitsaràna ny raharaha Apollo21, dia ilay fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena sy mpitondra ambony hafa. Hentitra ny fitandroana ny filaminana eny Anosy... ♦ Mila fanatsaràna ny sehatra ifanakalozana momba ny fanabeazana eto amintsika hoy ny avy amin'ny sekoly tsy miankina... ♦ Tsy mankasitraka amin'ny fiverenana amin'ny fihibohana ny ankamaroan'ny malagasy nanaovan'ny fikambanana tsy miankina iray fanadihadiana manoloana ny firongatry ny Covid-19, ankehitriny...
Fiombonana, Fandraisana anjara, asa fanirahana : ireo no teza telo ihodinan'ny Eglizy miara-dia. Vatana iray ny Eglizy, miombona noho ny Batemy noraisiny. Mirotsaka amin'ny fomba feno sy mavitrika izy. Ny zavatra rehetra ataony dia mitodika ao amin'ny asa fanirahana avokoa, izay antom-pisian'ny Eglizy. Fanazavana entin'i M. Roger Marius Razafimandanona, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody
♦ Hiakatra fitsaràna anio raha tsy misy ny fiovàna ny raharaha Apollo 21, nitranga ny volana jolay lasa teo... ♦ Miverina mirongatra indray amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao ny Covid eto Madagasikara. 470 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny herinandro teo, Antananarivo no ivony... ♦ Mitaky ny fametraham-pialàn'ny mpitantana tsy mahavaha ny olan'ny vahoaka ny RMDM. Tontosa tamin'ny sabotsy ny fanangonana fanampiana ho an'ireo may trano tao Farafangàna...
Alatsinainy 6 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco