♦ Mitohy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ireo mpanararaotra mampiakatra tsy ara-drariny ny vidin'entana ary ho saziana mafy ireo mbola minia manao izany... ♦ Manoloana izao fisokafan'ny sisin-tanin'i Madagasikara, dia hafainganina sy hatsaraina ny fanaraha-maso sy fanaovana fitiliana ireo mpandeha miditra sy mivoaka eny amin'ny Ivato... ♦ Maimaimpoana tanteraka ny fametrahana fitarainana ao amin'ilay vaomiera mpanadihady momba ny resaka fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena, an-jatony no efa voaray...
Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: "Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay." Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona"; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: "Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?" Dia hoy Izy taminy: "Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao."
Tamin’izany andro izany, dia hoy ilay vehivavy Samaritanina tamin’i Jesoa: "Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, minoa Ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’, dia mamelà azy." Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo: "Ampitomboy ny finoanay." Fa hoy ny Tompo: "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy."
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco