♦ Fotoana izao, tsy tokony hiandry rahampitso intsony amin'ny fandraisana andraikitra hiadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Antso nataon'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandraisany fitenenana tanatin'ny COP 26... ♦ Miisa 4 ireo mpandeha an-tsokosoko nihazo an'ny Nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy motera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny CSM tamin'ny asany maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto...

Ho antsika kristiana ny "eny" dia milaza fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, ka ny "eny" nataon'i Masina Maria no tonga ao an-tsaina voalohany amin'izany (cf Lk.1,38). Io faneken'i Masina Maria io no faratampony satria fiatombohan'ny asam-panavotana nataon'I Jesoa Kristy teto an-tany. Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

♦ Miisa efatra ireo mpandeha antsokosoko nihazo ny nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy maotera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM tamin'ny asa maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto... ♦ Tsy tompon'andraikitra amin'izay hena amaidy eny an-tsena, mety ahitana olana, ny sendikan'ny dokotera sy veterinaires eto Madagasikara, izay tsy mety hampiasa ny bokin'omby na ny FIB...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...